[Filazana Manjo] Fianakaviana RABEMIHOATRA

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Mpiandraikitra isan-tsokajiny eto @ Tafo FPMA Lyon,
Ho an’ny Sampana SVK ; FFL ; SLK ; STK sy ireo sampana velona eto @ Tafo,
Ho an’ny Mpiara-mivavaka eto @ Tafo FPMA Lyon,

Amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesinay anareo fa i
RAHANTAMALALA Noro,
Rahavavin’I Clémence dia niamboho ny Alakamisy 04 Décembre 2025 lasa teo.
Ny vatamangatsikany dia efa nafenina tao @ fasan-drazany ny Alahady 07 Décembre 2025 lasa teo.
Misaotra sahady ireo izay efa nidodododo sy nanome teny fampaherezana anay fianakaviana ary mialatsiny be dia be ho an’ireo tsy tratra anso noho ny afenoan-drano be loatra.

Dia mametraka ny fiainantsika rehetra eo ambany fiahian’ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Ny Fianakaviana Rivo sy Clémence RABEMIHOATRA

Faire part Noro

Imprimer E-mail

[VOKATRA II 2025] Concert Antsa Praise

"Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika." Salamo 67:6
 
Ho famaranana ny fanateram-bokatra II dia manasa anao ny FPMA tafo Lyon hanatrika ny Concert Gospel fiderana miaraka @ ANTSA PRAISE
ny sabotsy 6 desambra 2025 @ 6 ora sy sasany hariva ao @ Espace Protestant Theodore Monod 22 rue Romain Rolland 69120 Vaulx-en-velin.
 
Hisy ny varotra tsakitsaky eny an-toerana.
Manantena ny fahatongavanareo maro hiara-hankalaza ny Tompo!
 

Imprimer E-mail

[Zaikabe Grand Sud 2026] Recrutement de membres des vaomiera

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompo.
Tonga indray ity ny andro lehibe nandrasantsika, dia ny hiarahantsika faritany roa : ny Faritany Atsimo Atsinanana sy ny Faritany Atsimo andrefana manao ny fihaonambe «Zaikabe Atsimo na Zaikabe Grand Sud», izay hatao ny Sabotsy 28 sy Alahady 29 martsa 2026, ao amin’ny Centre Regain, 4220 SAINTE TULLE.

Ny lohahevitra : Filazantsara Herin’Andriamanitra ho Famonjena izay mino. Araka ny Romana 1.16

Ho fikarakarantsika tsara izany, dia misy vaomiera na Commissions toa ny « Spirituel, Communication, hébergement, Logistique, Repas, Dons, Finance, Santé & Securité et Animation » napetraka izay anentanana antsika tsy hisalasala, fa hiditra maro hifanome tanana, araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’i Tompo antsika avy. 

Hitantsika mifatotra ny andinidininy mahakasika ireo vaomiera samihafa, ny andraikiny (tolokevitra) ary ny QR code idirantsika mpikambana araka izay safidintsika. Amin’ny Talata 02 desambra ny fivoriana voalohany iarahan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny vaomiera. Aza misalasala manatona ny Biraon’ny fitandremana na ny Biraon’ny faritany misy anao raha mila fanazavana fanampiny.Mbola ho avy ny fiantsoana fisoratana anarana amin’ny fanatrehana ny zaika, saingy mba misy iomanantsika, dia efa misy saran-dasy noeritreretina ihany , izay mety hisy fihenàna, araka izay asa atolotry ny vaomiera mbola handinika akaiky ny momba izany.

Tolokevitra : Sarandasy : 105 € eo ho eo ny olondehibe / 85€ eo ho eo ny misotro ronono sy ny tanora / 45€ eo ho eo ny ankizy.

Misaotra antsika sahady tompoko amin’ny fiaraha-mientana , ary indrindra mitrotro am-bavaka mba ahatomombana izany fihaonam-be izany ho voninahitr’Andriamanitra.

Manonona ny fiadanan’i Jeso Kristy Tompo
Amin’ny anaran’ny Birao roa tonta 

Mpandrindra FATSATS Pasitera Clément RAKOTO
Mpitandrina Mpandrindra FATSAN Pasitera E. Charles RAKOTONDRAMANANA

Filoha FATSATS  Pasitera Haja RAKOTOVELO
Filoha FATSAN Nadia DELMOTTE

Recrutement vaomiera


S'inscrire aux vaomiera

Détails des vaomiera

Imprimer E-mail

[65-15] Organisations & Goodies

Inscriptions et certificats

Afin de bien organiser et surtout de savoir le nombre pour les repas par exemple, et pour éditer les certifications que nous allons distributer, il est nécessaire de s'inscrire.
Nous, membre de la FPMA Lyon, nous nous inscrivons sur "1.2 paroissiens de la FPMA Lyon" .
Nos invités, hors FPMA Lyon, l'inscription est sur "1.1 pour les invités"

Pensez à donner le maximum d'informations dans les certificats.

ATTENTION : Fin d'inscription et certificat le lundi 23 novembre 2025 à 19h00

[65-15] Inscription pour la FPMA Lyon & Certificats à distribuer

Dons

Comme tous les repas de ce WE d'anniversaires seront tous gratuits, il nous est nécessaire de faire un appel aux dons. Pour paticiper, vous pouvez faire un mail à Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser..
Tableaux de suivie des dons : Afficher

Main d'oeuvre

Nous aurons besoin de bras pour les diverses organisations. Pour signaler votre disponibilité, vous pouvez faire un mail à Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser..
Tableaux de suivie de la main d'oeuvre : Afficher

Goodies

Pour financer, nous mettons en vente des goodies. Pour réserver, vous pouvez faire un mail à Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser..
Tableaux de suivie des réservations de goodies : Afficher

Imprimer E-mail