Recensement 2026

Lien d'inscription et de création de compte : https://lc.cx/IFAchL

Lien d'inscription et de création de compte : https://lc.cx/IFAchL
.png)
Il y a des moments où Dieu nous appelle à nous rassembler, simplement pour être ensemble ☺️
Le "Lasim-Pianganonana" est bien plus qu’un camp : c’est un temps de partage, de foi et d’écoute de Dieu 🤍🗣️🫂
Vous trouverez ci-dessous les informations concernant cet événement. 😍
Le thème : "Ary Izy hitoetra eo aminy ... Indro havaoziko ny zavatra rehetra" Apo 21:3-5
Chacun ramènera le repas du Samedi midi ainsi qu'un petit goûter à partager pour 16h30
Tout le monde met la main à la pâte !
Ci-dessous le partage des tâches pour la préparation des repas
Lien du live YouTube : https://youtube.com/live/GCyeNOdu_5Y?feature=share
RAKOTO Clément, Mpitandrina sy ny zanany aman-jafiny,
dia maneho etoana fisaorana an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompo, fankasitrahana sy fankatelemana anareo tsirairay avy, fianakaviana, tapaka, namana:
- Nanaiky an-tsitrapo nandray anjara, nanomana, nikarakara, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, hatramin’ny antsipiriany rehetra, hatramin’ny fanariana lavenona aza.
- Tonga nanatrika ny Fankalazana sy Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahadimy ambinifolo taona nitondrany ny Tafon’i Lyon.
- Tsy afa-nanatrika nefa nandefa solontena, satria sehatra antony samihafa na ny tsy azo nanoharana ka na dia nikasa tokoa aza dia voafefy ka tsy tonga.
- Na tonga na tsia dia fantatray fa nitondra tamim-bavaka ny Fotoana, ka manamarina izany ny fahavitany an-tsakany sy an-davany ankehitriny.
"Filazantsara Herin’Andriamanitra ho Famonjena izay mino."
Araka ny Romana 1.16
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompo,
Amin’ny fo feno fifaliana hatrany no iarahabana antsika amin’ny anaran’i Tompo,
Hitantsika mifatotra ny FLYER sy ny taratasy mahasika ny fisoratana anarana amin’ny ,
ZAIKABE GRAND SUD izay hatao ny Sabotsy 28 Martsa sy Alahady 29 Martsa 2026
CENTRE REGAIN, Les Portes de Haute Provence, 04220_SAINTE-TULLE
Télécharger la procédure pour s'inscrire : Télécharger le fichier
Télécharger le RIB pour les paiements : Télécharger le RIB

Mampandre antsika ny fianakaviana Ravalison Naivotiana sy Vero fa nandao azy ny zokiny vavy
RAMIADAMANANA Reinette Astrid
Ny sabotsy 7 febroary 2026 lasa teo, teo @ faha 89 taonany.

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompo.
Tonga indray ity ny andro lehibe nandrasantsika, dia ny hiarahantsika faritany roa : ny Faritany Atsimo Atsinanana sy ny Faritany Atsimo andrefana manao ny fihaonambe «Zaikabe Atsimo na Zaikabe Grand Sud», izay hatao ny Sabotsy 28 sy Alahady 29 martsa 2026, ao amin’ny Centre Regain, 4220 SAINTE TULLE.
Ny lohahevitra : Filazantsara Herin’Andriamanitra ho Famonjena izay mino. Araka ny Romana 1.16
Ho fikarakarantsika tsara izany, dia misy vaomiera na Commissions toa ny « Spirituel, Communication, hébergement, Logistique, Repas, Dons, Finance, Santé & Securité et Animation » napetraka izay anentanana antsika tsy hisalasala, fa hiditra maro hifanome tanana, araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’i Tompo antsika avy.
Hitantsika mifatotra ny andinidininy mahakasika ireo vaomiera samihafa, ny andraikiny (tolokevitra) ary ny QR code idirantsika mpikambana araka izay safidintsika. Amin’ny Talata 02 desambra ny fivoriana voalohany iarahan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny vaomiera. Aza misalasala manatona ny Biraon’ny fitandremana na ny Biraon’ny faritany misy anao raha mila fanazavana fanampiny.Mbola ho avy ny fiantsoana fisoratana anarana amin’ny fanatrehana ny zaika, saingy mba misy iomanantsika, dia efa misy saran-dasy noeritreretina ihany , izay mety hisy fihenàna, araka izay asa atolotry ny vaomiera mbola handinika akaiky ny momba izany.
Tolokevitra : Sarandasy : 105 € eo ho eo ny olondehibe / 85€ eo ho eo ny misotro ronono sy ny tanora / 45€ eo ho eo ny ankizy.
Misaotra antsika sahady tompoko amin’ny fiaraha-mientana , ary indrindra mitrotro am-bavaka mba ahatomombana izany fihaonam-be izany ho voninahitr’Andriamanitra.
Manonona ny fiadanan’i Jeso Kristy Tompo
Amin’ny anaran’ny Birao roa tonta
Mpandrindra FATSATS Pasitera Clément RAKOTO
Mpitandrina Mpandrindra FATSAN Pasitera E. Charles RAKOTONDRAMANANA
Filoha FATSATS Pasitera Haja RAKOTOVELO
Filoha FATSAN Nadia DELMOTTE



Inscription des paroissiens
La fiche d'inscription permet d'établir un lien direct avec les activités de la FPMA Lyon :
- Recevoir les e-mails de communications des nouvelles
- S'inscrire pour mener le culte
- S'inscrire pour les lectures bibliques
- S'inscrire pour les prédications (pour ceux qui sont formés pour)
- etc...
Si vous venez d'arriver à l'église, n'hésitez pas à vous inscrire.
Si vous avez déjà procédé à cette inscripton, vous pouvez aussi y mettre à jour vos informations si nécessaire.
Règlement général sur la protection des données - RGPD
Pour des raisons de mise en conformité et de mise à jour, chaque paroissien est invité à reconfirmer ses informations. Pour cela, veuillez-vous connecter sur la page de recensement et suivre les indications qui y sont marquées.