Asan’Andriamanitra sy Finoana. Ny asan’Andriamanitra dia ny finoana manova fo

“...Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?...”hoy ireo vahoaka nanantena valiny mazava momba ny asa tokony hatao raha nanontany an’i Jesosy. Ary tena mitombina sady mifanitsy amin’ny fihevitry ny maro amintsika, ny Fiangonantsika vao avy niaina ny Synoda Lehibe sy ny fitandremana misy antsika izany fanontaniana izany. Kanjo toa nandiso fanantenana kosa ny navalin’i Jesosy azy: “...Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny...” Jaona 6. 28-29.

Mahaporitra antsika tokoa mantsy  ny fanefana ny adidintsika, ny raharahan’ny Fiangonana, ny fanajana ny fombantsika, ny rafitra, ny sampana izay nanolorantsika tena, araka ny finoantsika avy...Tsy ratsy izany sady tokony hatao!

Fa ny Fampahatsiahivan’ny Apôstôly Paoly ato amin’ny Epistily hoan’ny Romana 2. 28-29 anefa dia hentitra kosa: “...tsy...araka ny miseho...” na zavatra ivelany no azo amantarana ny vahoakan’Andriamanitra, “...fa amin’ny fo...ny fanahy...”

Satria tokoa raha rentsika ny fanafaran’i Paoly ihany ato amin’ny Romana 3. 9-18, dia “...Tsy misy marina na dia iray akory aza...” na dia mihevitra fa “...manao ny tsara aza”. Noho izany, ny asa ataontsika, na dia Fanompoana izao aza, dia tsy mahantoka ny Fidirantsika ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra velively.

Ahoana ary izany no fomba hiainantsika ny Finoantsika izay mahatonga antsika hanompo? Rehefa miteny amin’ny Kolosiana i Paoly no mamaritra izany manao hoe:”...Raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony...” Izany hoe: tsy maintsy hilaozantsika izay rehetra manavesatra ny fontsika sy mampisara-bazana antsika eo amin’ny fiarahantsika manompo, miaina, mifandray, dia hatezerana, haratsiam-panahy, teny mahamenatra na mampalahelo...” Koa mitafia Famindrampo, Fiantrana, Fahamoram-panahy, Fanetrentena, Fahalemem-panahy, Fandeferana,

araka ny olom-boafidin’Andriamanitra, sady masina no malala...” Kolosiana 3. 12.

Araka izany, ny asan’Andriamanitra izay ataontsika eto amin’ny fiangonana, toy ny Birao,  Komity, Sampana sy ny sisa, dia mba ho asa nateraky ny Finoantsika izay ao am-po marina, nohavaozin’ny Fanahy Masina: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny foa tahaka ny hoan’Ny Tompo, fa tsy hoan’ny olona...” Kolosiana 3. 23.

Enga anie mba ho vavolombelon’ny fanitsiantsika ny diantsika ny andro hoavy rehetra hiainantsika ny finoantsika an’i Jesosy Kristy Izay nirahin’Ny Ray, amin’ny asan’Andriamanitra. Io Finoana io ihany araka ny tenin’i Jesosy eto no hany mahateraka asa mamokatra sady hananantsika Fifaliana. Fikasana, Fanolorantena marina.

Imprimer