Rojom-bavaka FAtsAts - Taona vaovao 2023

Miarahaba ny Mpitandrina sy ny Filohan'ny Tafo FPMA FAtsAts.
Indro hitan-tsika eto ambany ny Fandaharana Rojom-bavaka FAtsAts ho fisaorana an'Andriamanitra noho ny Taona vaovao (Zoom BR FAtsAts)

Accès ZOOM:
https://us02web.zoom.us/j/7353958688?pwd=UXFrLzZ0clFweUdtNWtqaVgyS0h2QT09
ID de réunion : 735 395 8688, Mot de passe : 25120000
Ou confcall, Tél. 01 70 95 01 03, Code: 735 395 8688.

Misokatra amin'ny 7 Ora sy 45mn ny Zoom.
Marihana fa misy fandraisan'anjaran'olona 1 (iray) isan-tafo amin'ny Rojom-bavaka.
Mangataka ny Filohan'ny Tafo mba handefa aty amin'ny Biraon'ny Faritany ny anaran'ny olona handray anjara vavaka amin'izany arak'izay  fandaminana mipetraka isan-tafo.

Mirary soa samy hotahian'Andriamanitra.

Imprimer E-mail

Synode National 2022 - Fitondrana am-bavaka

Araka ny efa fantatsika dia manomana ny Synoda lehibe isika eto amin'ny sehatry ny FPMA. Hatao any Ste Tulle izany ny 11, 12 sy 13 novambra 2022. Efa maro ny fanentanana antsika hitondra am-bavaka izany ary ny fivorian’ny Vaomiera VAVAKA niaraka tamin’ny Faritany Fatsats no nanapahana fa mandritra ny fizotran'izany Synoda izany dia tsy hitsahatra hitondra am-bavaka isika rehetra ka amin’ny alalan’ny ZOOM no hanaovana azy.
 
Ity ny plateforme hanatanteraka izany :
1.    Raha ZOOM no idirana:
 
2.    Raha antso an-tariby no ampiasaina :
Tél. 01 70 95 01 03, Code : 735 395 8688# #.
 
Toa izao ny fandaminana :
- Manomboka ny Zoma 11 Novambra 2022 (14H00è19H00 Mpikarakara Fifohazana Tafo NICE) 
- Asabotsy 12 Novambra 2022 (09H00è20H00 Mpikarakara : Tafo Aix-Marseille sy Tafo Lyon). Ny anjaran’ny Tafo Lyon dia manomboka amin’ny 14h-20h) ;
- Alahady 13 Novambra 2022 (09H00èfanombohan’ny fanompoam-pivavahana famaranana Synoda – Mpikarakara : Tafo Annemasse).
 
Asaina ny vahoakan’Andriamanitra, ny sampana, hery velona rehetra eo amin’ny sehatry ny fanompoana amin’ny fotoana mampalalaka azy ireo.
 
Ny Tompo anie anie hanafy hery antsika hahazoantsika manome voninahitra ny anarany amin’ny fahafenoan’ny Tenin’i Kristy.

Imprimer E-mail