[FATSATS] Formation Permanente, ouverture inscription

Ho an’ny Mpitandrina mpandrindra sy ny Biraon’ny faritany Atsimo Antsinanana,
Ho an’ny Mpitandrina rehetra eto amin’ny faritany Atsimo Antsinanana,
Ho an’ny Mpiandraikitra rehetra eto amin’ny faritany Atsimo Atsinanana,
Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra eto amin’ny faritany Atsimo Atsinanana,

«Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.» Asan’ny Apostoly 2 :42 

Ampitomboana aminareo  ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy Tompo,

Isaorana lehibe ny Tompo fa mandroso ary mizotra tsara ny fiofanana eo amin’ny Formation Permanente eto amin’ny faritany Atsimo Atsinanana.
Isaorana ny rehetra ihany koa ny amin’ny fiaraha miasa, hita sy tsapa fa manohana hatrany izany fiofanana izany isika rehetra ary ho voninahitrin’Andriamanitra irery ihany izany.

Manaraka izay, raha ampatsiahivana antsika ny filazana voaray tamin’ny fanomboan’ity fotoam-piofanana vaovao ity, ny faran’ny taona 2021, dia fiofanana mandritran’ny 3 taona, tsy misy fidirana eny antenan-tenany ary izany no nohezahina nampiarina teto amintsika.

Rehefa nivory ireo tomponan’andraikitra amin’ny fiofanana, mijery ny fandrosoan’ny fiofanana isakin’ny centre, dia nisy ny filazana fa nisy fisokafana eo amin’ireo centre de formation hafa. Nangataka taratasy fanamarihana izany moa teo amin’ireo tompon’andraikitra nasionaly ka dia nahazoana valiny izay noraisina ary nampifanarahana amin’ny zava-misy eto amin’ny centre Atsimo Atsinanana.

Misokatra ho an’ireo izay maniry hanaraka izany fiofanana izany ny FP FATSATS.

Marihina anefa fa tsy miova ny fepetra angatahina, mila dinika miaraka amin’ny Mpitandrina eo amin’ny tafo satria dia engagement 3 taona ilay izy ka ny Mpitandrina eo amin’ny tafo izany no manolotra azy ireo any amin’ny tompon’andraikitra FP FATSATS.

Raha mikasika izay efa nianarana rehetra indray (cours), dia misy «modules» maromaro ka na tsy nanao ireo teo aloha dia mbola ahita izany any amin’ny fotoana hafa fa mandray izay modules misy amin’izao fotoana izao.

Antitraterina hatrany fa ny fidirana ho mpiofana FP dia «engagement» feno, io no vaindohan-draharaha (priorité) mandritran’ny 3 taona : 1 asabotsy isam-bolana miampy ireo enti-mody, misy ny déplacements… Misy ezaka izany andrasana. 

Angatahana ny tompon’andraikitra isan-tafo hanamparitaka haingana izao vaovao izao. Misaotra antsika sahady amin’ny fiaraha miasa.

Ny saram-piofanana 2023 dia 70€.

Aza misalasala manatona ireo tompon’andraikitra FP FATSATS raha misy fanamarihana na fanontaniana.

Ho aminareo ny fiadanan’ny Tompo,

Mpiandraikitra FP FATSATS,
Pasteur Jeannot Randrianandrasana,
Pasteur Donald Gizy Ratiambahoaka,
Pasteur Clément Rakoto,
Alisoa Rajoharison-Rakotoarivony,

Imprimer E-mail

[TILY] Aide Rencontre Nationale Tily

1 Korintiana 16:14 : Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

Miarahaba antsika mpiara-miangona,
 
Araky ny efa fantatsika dia handray anjara @ RNT : Rencontre nationale Tily ireo Mpikambana ao amin'ny Sampana Tily eto anivon'ny fiangonana. 
 
Tsy ampy ny vola eo am-pelatanana hiatrehana izany fihaonam-be izany. Koa dia mangataka ny fahamoram-pontsika mpiara-mivavaka mba hanolotra izay foy ho fanohanana ny Tily. 
 
Indro misy cagnotte nosokafana mahakasika izany :
 
Raha mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala manantona ireo tompon'andraikitry ny Sampana. 
 
Mankasitraka indrindra dia ny Tompo hamaly fitia anareo.
 

Pour vous aider à utiliser l'application

Lien d'aide pour le paiement : https://youtube.com/shorts/EZVncJrb6YM?feature=share

Imprimer E-mail

[Harmonia] LdF et dimanche de sampana 2023

Diffusion Culte

 Lien diffusion ; https://youtube.com/live/R8wtECggPwc?feature=share

Diffusion Harmonia LIVE

 Lien diffusion ; https://youtube.com/live/W_tvZhEIRUM?feature=share

Levée de fonds

Le SZM organise ce samedi 22 avril et dimanche 23 avril son WE :
- Harmonia LIVE, chants et concert à l'EPTM, avec vente de barquette le samedi
- Dimanche du sampana, au culte du 23 avril 

Tout se passera à l'EPTM.

Participer à la vente

Imprimer E-mail