Vaovaom-piangonana, alatsinainy 6 novambra 2023

Filazana Manjo - fianakaviana RAZAKARIVONY

Ny fianakaviana dia mampilaza antsika fiangonana, fa i Riri dia namoy ny reniny, Raveloarisoa Bako any Madagasikara ny alakamisy 2 novambra lasa teo. Any antanindrazana ny fianakaviana @ izao fotoana izao. Samia mitonda azy ireo am-bavaka.

Famangiana Manjo - fianakaviana RABENAKAMBANARIVO

Ny famangiana ny fianakaviana dia hatao aorian'ny fotoampivavahana izao alahady 12 novambra 2023 izao.

Fotoampivavahana - Alahady 12 novambra 2023

Miveriana @ 3 ora sy sasany, ao @ EPTM.

Sampana

Sekoly alahady

Isaorana ny Tompo fa vita soamantsara ny alahady 29 oktobra 2023 lasa teo ny fifidianana ny birao vaovao handrindra ny sekoly alahady mandritra ny 2 taona ho avy izao. 
Ireto avy izany : 
  • Mpandrindra : Hiarivony Raolison
  • Mpitan-tsoratra : Vero Ravalison
  • Mpitam-bola : Fenosoa Ramanankolazaina 

FFL

Concert LdF miaraka @ i Lilie, réservation : https://www.choraleffl.org

Imprimer E-mail