Annonces - dim 31/05/2020

FPMA Fatsats

FPMA Nice - Voin-kava mahatratra, Pst Zozo

«Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. » (Romana 12:15)
« Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo nylalàn’i Kristy. » (Galatiana 6:2)

Nice, faha 25 Mey 2020

Ho an’ny FMM
Ho an’ny Faritany 6
Ho an’ny Tafo 39 sy ny fiaraha-mivavaka Ho an’ny Sampana Iraisana 8
Ho an’ny ambaratonga rehetra
Ho an’ny Vahoakan’ Andriamanitra
eto amin’ny FPMA,

Ry hava-malala,
Ho aminareo anie, ny Fahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Amin’ ny maha Iray antsika ao amin’ny Tompo sy noho ny voina mihatra amintsika
FPMA, ka namoizantsika ny raiamandreny iombonana Pasteur Zozo Randriamanantsoa, dia tsy misalasala izahay mitodika aminareo, mangataka tolo-tanana avy aminareo, hoenti-manana ny fampodiana ny razana any an-tanindrazana.
Noho ny toe-javatra ankehitriny, dia tranga roa no mety hiseho:
- raha mahazo alalana avy amin’ny Fanjakana Malagasy, dia hampodiana avy hatrany ny razana
- raha tsy izany, dia voatery halevina aty Frantsa aloha, ny razana ary hampodiana amin’ny fotoana mahamety izany. Hisondrotra araka izany koa, ny devis.

Ho anareo izay maniry handray anjara, amin’izao adidy mavesatra sy masina izao, dia indreo, omena anareo ny andinindininy amin’ny fanatanterahana izany.

Chèque : amin’ny anaran’Atoa RAMASITERA Andriamihajasoa.
Adresse Postale : 7, Rue Cassini 06000 Nice
Cagnotte : https://www.leetchi.com/c/aide-pasteur-zozo-randriamanantsoa-fpma-nice

Maniry hatrany ny fitondranareo am-bavaka ny fianakaviana. Misaotra anareo sahady ny amin’izay rehetra hataonareo. Manonona aminareo ny Fiadanana avy amin’Ilay tia antsika.

Ny Birao Foibe FPMA : Docteur RASOLONDRAIBE Seth
Ny Biraon’ny Faritany Atsimo Atsinanana : Pasteur RANDRIA Christian & RAFIDINARIVO Jean-Solo
Ny FPMA Nice : Pasteure RAJARISOA Fara & RAKOTOMALALA Bakoly

 

Fiangonana Lyon

Filazana manjo - fianakaviana Rajaonary

Ho an ny Ray aman dreny Mpitandrina sy ny mpiray finoana eto amin ny FPMA Lyon 

..."Hisaotra an i Jehovah lalandava aho , ho eo am bavako mandrakariva ny fiderana Azy" 
Sal 34-1

Sitrak Andriamanitra ny niantso ny mpanompony   
Atoa RASAMOELINIRINA  Robinot  Tiana 
hody any aminy ny talata faha  26 mey 2020.

Hoy ny iray tampo aminy Christian sy  Liva (zandriny) RAJAONARY  mianakavy ,ary ny fianakaviana manontolo .
Ny fandevenana dia notanterahina ny Zoma faha 29 mey 2020 any an tanindrazana , koa mangataka antsika hiara hiombo-po sy hitrotro am bavaka ny fotoana rehetra.

Cultes en ligne

Les cultes continueront en ligne jusqu'à nouvel ordre, malgré le déconfinemant. Les informations de reprise à l'EPTM vous seront communiquées prochainement.
Toutes les informations concernant l'église sont disponibles au fur et à mesure sur le site : les cultes, les activités à distance des sampana, etc...

Les contacts sont disponibles ici.

Vokatra may & jiona 2020

"Car l’Éternel, ton Dieu, te bénira dans toutes tes récoltes et dans tout le travail de tes mains, et tu te livreras entièrement à la joie."
Deutéronome 16 : 15 bc

Malgré le confinement et le déconfinement, et face à la situation actuelle que vit la France, la FPMA Lyon a décidé de lancer le vokatra 1 pour les mois de mai et juin 2020.
Toutes les informations sont disponibles ici.

Rakitra - complément d'infos

Tous les moyens sont disponibles sur ce post.

 

Imprimer E-mail